Luke 8

1Ary taoriana kelin’izany dia nanomboka nandeha nitety tanàna sy vohitra samihafa Jesosy, nitory sy nanambara ny filazantsara mahakasika ny fanjakan’Andriamanitra. Niaraka taminy ireo roa ambin’ny folo lahy, 2tahaka ireo vehivavy sasany izay sitrana tamin’ny fanahy ratsy sy ny aretina: Maria izay nantsoina hoe Magdalena, izay efa namoahana demonia fito; 3Johana, vadin’i Koza, izay mpitan-draharahan’i Heroda, ary Sosana; sy ireo maro hafa koa, izay, tamin’ny fananan’izy ireo, dia nanome izay nilain’izy ireo.

4Raha mbola nisy vahoaka maro nihangona, dia tamy nanatona Azy ireo olona avy tamin’ny isan-tanàna, Dia nanao fanoharana izy hoe: 5“Nisy mpamboly nivoaka mba hamafy ny voany. Raha izy namafy iny, dia voafafy teny amoron-dalana ny sasany ary dia voahitsakitsaka izany, ary lanin’ny voron’ny lanitra. 6Ny sasany kosa voafafy teny amin’ny vatolampy, ka raha vao nitsimoka, dia nalazo izany, satria tsy nisy hamandoana.

7Ary ny sasany dia voafafy teo amin’ny tsilo, ary ny tsilo niara-naniry tamin’ny voa ka nangeja izany. 8Ny sasany voafafy teny amin’ny tany lonaka ka namoa vokatra izay tsara lavitra avo zato heny.” Taorian’i Jesosy niteny ireo zavatra ireo, dia niantso mafy Izy hoe: ‘’Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino.‘’

9Nanontany Azy ireo mpianany ny amin’ny tian’izany fanoharana izany hambara. 10Hoy Izy hoe: ‘’Ny fahalalana ny zava-miafin’ny fanjakan’Andriamanitra dia nomena anareo, fa ho an’ny hafa dia miresaka amin’ny fanoharana Aho, mba tsy ahita izy ireo na dia mahita aza, ary tsy hahalala na dia mandre aza.”

11Ary izao no dikan’ilay fanoharana: ny voa dia ny tenin’Andriamanitra. 12Ireo voafafy teny amin’ny sisin-dalana dia ireo izay mandre, saingy avy eo dia tonga ny devoly ka maka ilay teny tao am-pony, mba tsy hino sy ho voavonjy izy ireo. 13Ary ireo teo amin’ny vatolampy kosa dia ireo izay, rehefa mandre ny teny, dia mandray izany amin-kafaliana. Nefa tsy misy fakany ireo; vetivety foana ny finoan’izy ireo, ary amin’ny fotoana fitsapana dia lavo izy ireo.

14Ireo voa voafafy teo amin’ny tsilo dia ireo olona mandre ny teny, fa rehefa mandeha amin’ny lalany izy ireo, dia voagejan’ny fiahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan’izao fiainana izao, ka tsy matoy ny voany. 15Fa ny voa voafafy tamin’ny tany tsara, dia ireo no, mandre ny teny tamin’ny fo marina sy tsara, ary izy ireo mihazona azy tsara ary namokatra am-paharetana.

16Ary, tsy misy olona, rehefa nandrehitra jiro, dia manarona azy amin’ny sarony na mametraka izany ao ambany fandriana. Fa kosa, mametraka azy eo amin’ny fanaovan-jiro, mba ho hitan’ny olona rehetra izay miditra ny hazavana. 17Satria tsy misy takona izay tsy ho ampahafantarina, na zavatra miafina izay tsy ho fantatra ary hiseho eo amin’ny hazavana. 18Koa mihainoa tsara, izay manana, dia mbola homena bebe kokoa, fa ho an’izay tsy manana kosa, na izay heveriny hanany aza dia ho esorina aminy.‘’

19Avy eo ny reniny sy ny rahalahiny nanatona Azy, nefa tsy afaka nanankaiky Azy nohon’ny vahoaka. 20Nisy nilaza taminy hoe: ‘’Ny reninao sy ny rahalahinao dia mijoro ao ivelany, te hahita anao.” 21Fa Jesosy namaly sy niteny tamin’izy ireo hoe: ‘’Ny reniko sy ny rahalahiko dia ireo izay mandre ny tenin’Andriamanitra sy manao izany.‘’

22Ary indray andro dia nandeha an-tsambo kely Izy niaraka tamin’ireo mpianany, ary Izy nilaza tamin’izy ireo hoe: ‘’Andeha isika ho eny ampitan’ny farihy.‘’ Dia lasa izy ireo. 23Fa raha nandeha iny izy ireo dia resi-tory Jesosy. Ary nisy tafio-drivotra tonga teo amin’ny farihy, ka feno rano ny sambo kely, ary notandindonin-doza izy ireo.

24Avy eo nankeo aminy ka namoha Azy ireo mpianatr’i Jesosy, nanao hoe: “Tompo o! Tompo o! Ho faty isika!” Ary nifoha Izy ka niteny mafy ny rivotra sy ny rano manonja, ary nitsahatra ireo, ka nisy fitoniana teo. 25Ary niteny tamin’izy ireo Izy hoe: ‘’Aiza ny finoanareo?” ary natahotra mafy izy ireo. Ary natahotra no sady gaga ihany koa izy ireo, ary nifampanontany hoe: ‘’Iza moa ilay io, no mandidy na ny rivotra sy ny rano aza, ary manaiky Azy ireo?‘’

26Izy ireo dia nihazo ny faritr’i Gerasena, izay tandrifin’ny farihin’i Galilea. 27Ary rehefa niakatra hankeny an-tanety Jesosy, dia nifanena tamin’ny lehilahy iray avy tao an-tanàna izay nisy demonia. Ary efa ela izy no tsy niakanjo, ary tsy nipetraka tao an-trano fa teny amin’ny fasana.

28Rehefa nahita an’i Jesosy izy, dia nihiaka mafy sy niankohoka teo anoloany ka niteny tamin’ny feo mafy hoe: ‘’Inona no iraisanao amiko, ry Jesosy, zanak’Andriamanitra Avo indrindra o? Miangavy Anao aho, aza mampijaly ahy.‘’ 29Fa Jesosy nandidy ny fanahy maloto hiala tao amin’ilay lehilahy. Fa efa nandritry ny fotoana maro no nangeja azy izany, ka na dia nofatorana tamin’ny rojo sy gadra vy ary nambenana aza izy, dia nopotehiny ireo rojony ary nentin’ny demonia tany an’efitra izy.

30Jesosy nanontany azy hoe: ‘’Iza no anaranao? Ary hoy izy hoe: ‘‘Legiona,‘’ fa maro ny demonia izay efa nidira tao aminy. 31Izy ireo niangavy Azy hatrany mba tsy handefa azy ho any amin’ny lavaka tsy hita noanoa.

32Ary nisy andian-kisoa maro nisakafo teo akaikin’ny havoana. Ka niangavyAzy ilay demonia mba hamela azy ireo ho ao amin’ireo, ka namela azy Izy. 33Koa nivoaka tao amin’ilay lehilahy ireo demonia ary nifindra tao amin’ireo kisoa, ary nitratrevatreva tany amin’ny hantsana nankao amin’ny farihy ireo andian- kisoa ka maty.

34Ary nohon’ny nahita ny zavatra nitranga ireo mpiambina ny kisoa, dia nihazakazaka ka nilaza izany tao an-tanàna sy tany an-tsaha. 35Noho izany dia nivoaka ny mponina tao an-tanàna mba hijery ny zavatra nitranga, ary nanatona an’i jesosy izy ireo ka nahita ilay lehilahy izay nivoahan’ny demonia. Ary izy nipetraka teo an-tongotr’i Jesosy, nitafy ary vory saina; ary raiki-tahotra izy ireo.

36Avy eo ireo izay nahita izany nilaza azy ireo ny fomba nahasitrana ilay lehilahy nanjakan’ny demonia. 37Ary ny vahoaka rehetra teo amin’ny faritanin’i Gerasena dia nangataka an’i Jesosy mba hiala eo amin’izy ireo, satria heniky ny tahotra mafy izy ireo. Noho izany dia nandeha an-tsambo kely Izy mba afahan’izy ireo miverina.

38Ilay lehilahy nivoahan’ny demonia dia niangavy taminy mba hamela azy handeha hiaraka aminy, fa Jesosy nandefa azy, niteny hoe: 39‘’Miverena any an-tranonao ka manomeza tatitra feno momba izay nataon’Andriamanitra taminao.‘’ Ary ilay lehilahy nandeha tamin’ny lalany, dia nanambara manerana ny tanàna rehetra izay nataon’i Jesosy taminy.

40Ary rehefa niverina Jesosy, dia nandray azy ny vahoaka, fa izy ireo dia efa niandry Azy. 41Indro, nisy lehilahy iray atao hoe Jairo, izay iray tamin’ireo mpitarika tao amin’ny Synagoga, nanatona sy niankohoka teo an-tongotr’i Jesosy, ka niangavy azy mba ho any an-tranony, 42satria ny zanany vavy tokana, izay zazavavy teo amin’ny roa ambin’ny folo taona teo ho eo, dia eo ambavahoanan’ny fahafatesana. Raha nandeha tamin’ny lalany Jesosy, dia niara-nifaneritery nanodidina Azy ny vahoaka maro be.

43Ary nisy vehivavy iray teo izay efa nadeha rà nandritry ny roa ambin’ny folo taona ary efa nandany ny volany rehetra, [Fanamarihana: Ireo manam-pahaizana dia mizarazara hevitra raha tokony ampidirina eto ny fehezanteny hoe: “Nandany ny volany rehetra (izy) ] ary tsy nisy nahasitrana azy na iza na iza. 44Ary izy dia nankeo aorian’i Jesosy ka nikasika ny rambon-dambany, dia nitsahatra avy hatrany ny ràny.

45Jesosy niteny hoe: ‘’Iza ilay nikasika Ahy teo?‘’ Rehefa nandà ny rehetra, dia hoy Petera hoe: ‘’Tompo, manodidina Anao avokoa ny vahoaka rehetra ary manery Anao.” 46Fa Jesosy niteny hoe: ‘’Nisy nikasika Aho, satria fantatro fa nisy hery niala avy tato amiko.‘’

47Rehefa hitan’ilay vehivavy fa tsy takona izy, dia nangovitra izy ary niankohoka teo Aminy. Nambarany teo imason’ny olona ny antony nikasihany Azy, sy ny fomba nahasitrana azy avy hatrany. 48Ary Izy niteny taminy hoe: ‘’Ry zanaka vavy, ny finoanao no nahasitrana anao. Mandehana am-piadanana.‘’

49Avy eo raha mbola niteny izy, dia nisy olona iray avy amin’ny tranon’ny mpitarika synagoga, nanao hoe: ‘’Maty ny zanakao vavy. Aza manahirana ny mpampianatra intsony.” 50Fa rehefa nandre izany Jesosy, dia namaly an’i Jairo Izy hoe: ‘’Aza matahotra; minoa fotsiny ihany, dia ho sitrana izy.‘’

51Rehefa nankao an-trano Izy, dia tsy namela na dia olona iray aza hiara-hiditra aminy ankoatran’i Petera sy Jaona sy Jakoba, sy ny rain’ilay zaza ary ny reniny. 52Ary ny rehetra dia nisaona sy nitomany azy, 53Fa Izy niteny hoe: ‘’Aza mitomany; tsy maty izy fa matory.‘’ Dia nihomehy Azy izy ireo, satria fantatra fa maty ilay zaza vavy.

54Fa noraisiny tamin’ny tanana izy ka niantso mafy, niteny hoe: ‘’Anaka, mitsangàna!‘’ 55Ary niverina ny fanahiny, ka niharina avy hatrany izy. Ary nibaiko azy ireo Izy mba hanome hanina ho azy. Ary gaga ny Ray aman-dreniny, fa Izy kosa nandrara azy ireo mba tsy hilaza na amin’iza na iza ny zavatra izay nitranga.

56

Copyright information for PltULB